Ny mpandeha dia tompon’andraikitra amin’ny fanamarinana ny maha-manan-kery na tsia ny taratasy rehetra mahakasika ny dia ary ny fisahanana ny fikarakarana rehetra momba ny dia andraikiny feno.
Ny fepetra mahakasika ny taratasy fanamarinana
Miovaova isaky ny firenena ny fepetra mahakasika ny karapanondrom-pirenena: ny kara-panondrom-pirenena malagasy dia manan-kery mandritra ny raopolo (20) taona, ny kara-panondrom-pirenena frantsay kosa dia manan-kery mandritra ny dimy ambin’ny folo (15) taona.
Manoro hevitra anao izahay hamantatra ny mahakasika ireo fepetra ireo eo anivon’ny sampan-draharaha misahana izany.
Ny pasipaoro iray dia tsy maintsy mbola manan-kery mandrindra ny enim-bolana amin’ny fotoana anehoana azy eo amin’ny toeram-piraketana.
Inona no atao hoe tapakila elektronika?
Ny tapakila elektronika dia tapakila tsy voafehin-taratasy, ka azo avoaka amin’ny fotoana rehetra. Mifamatotra amin’ny rohy mifandraika amin’ny famandrihana izy. Mitondra anarana izy ary tsy azo afindra tànana.
Mirakitra ny antsipirian’ny sidinao izy, ny vidiny ary ny fepetra, ny famotsoran-kaba, ny tolotra fanampiny mifanojo amin’ny vidiny, ary ny fepetra araky ny làlana manan-kery mikasika ny fitaterana an’habakabaka.
Zahao ny fepetra ankapobeny mikasika ny varotra sy ny fitaterana