Fandriho ny toerana Ny sidinao Ireo tolotra manokana omenay Ny famandrihako toerana Fantaro Ny tambajotranay Ireo toeran-kalehanay Ny fandaharan'ny sidina Omany ny dianao Fiaramanidina sy kabinina Entana Firaketana mialoha ny fiondranana Taratasy momba ny dia Tsaradia Ny mombamomba anay Vaovao farany Fifandraisana Masoivoho
Fandriho ny toerana

Ny sidinao

Ny tsara ho fantatra rehetra mahakasika ny vidin’ny toerana sy ny fepetra mahakasika izany, ny dian’ny ankizy sy ny zaza, ary ireo fikarakarana samihafa atolotray ireo mpandeha mila fandraisana an-tànana manokana (ankizy mandeha irery, dian’olona maromaro, mpandeha tsy afa-mivezivezy firy)

Ny filazam-bidy aseho eto dia manan-kery ho an’ny fanjifàna atao eto amin’ny tranonkala ary azo antoka ny tsy fiovàny aorian’ny famoahana ny tapakila.

Ny filazam-bidy dia arahana fepetra mahakasika ny fiovàana daty, ho an’ny fangatahana famerenana ny vidin’ny tapakila, ny famontsoran-kaba mahakasika ny entana na ny fihenam-bidy omena ireo ankizy na zaza.
Vakio ny fanampim-panazavana (pejy amin’ny teny frantsay)

Raha mandeha irery ny zanakao, ary koa raha mandeha miaraka amin’ny zaza menavava ianao, miaraka amin’ny ankohonana na olona maromaro, dia omàny mialoha ny dianao ka anontanio ny fepetra rehetra tokony horaisinao rehefa mamandrika toerana sy mandritra ny fotoana anaovana ny firaketana eny amin’ny seranam-piaramanidina.

Azonay atao ihany koa ny mandray an-tànana manokana anao, raha toa ka manana kilema ianao na tsy afa-mivezivezy firy.

Tandremo

Angatahana aminao ny taratasy fanamarinana ny mombamomba anao rehefa eny amin’ny seranam-piaramanidina. Azon’ny Kaompania atao ny mandà mpandeha mitondra taratasy tsy manan-kery.

Fantaro ny fepetra ankapobeny mifehy ny varotra sy ny fitaterana

* Filazam-bidy amin’ny vola euro, arakaraky ny sanda manan-kery ny androtr’iny – Miaraka amin’ny haba – Miankina amin’ny fisiany – Mety hisy fiakarana tsy voalaza mialoha